STK Amboasarikely Fiadanana · FJKM

Hanandra-peo Aho

Rakikira voalohany · Famoahana ofisialy · Kaonseritra

8 Aogositra 2026 · 14h · IVOKOLO Analakely

--Andro
--Ora
--Minitra
--Segondra

Concert

Famoahana ofisialy ny rakikira voalohany — miaraka amin'ny vahiny manokana

Tsindrio ny afisy hanalehibe azy

Daty

Sabotsy 8 Aogositra 2026

Ora

14h

Toerana

IVOKOLO Analakely, Antananarivo

Vahiny manokana

Solo Andrianasolo

« …Davida nanendry ny mpihira rahalahiny… mba hanandra-peo amin'ny fifaliana. »

I Tantara 15 : 16

Tapakila

Safidio ny toerana mety aminao — antsoy izahay hamandrihana

Tononkira

Ireo hira ao amin'ny rakikira « Hanandra-peo Aho »

Hanandra-peo aho

Tsy mihato ny dia fa mizotra hoany aminao
F’Ianao ’lay nitantana hatrizay, ho mandrakizay
Ny fahasoavanao no nahatoa izao anay
Isaorana ianao ’lay nanome izao talenta izao

Isaorana Inao Ray, Ianao Ray
Ny herin’ny tananao
Deraina Ianao Ray, Ianao Ray
Tsy hay ny hangina ka izao

Hanandra-peo aho, noho ny anaranao
Andeha aho fa irakao aho
Ka ny eran-tany hihaino
Ny anaranao, ny fitavanao
Hihira aho ho ANAO

Homenantra Anao Jesô Kristy izay miady aminao
Raha ny hisaraka aminao dia ho sanatria
Afaka mirehareha izay manana Anao
Ka matoky aho fa Ianao ilay tsy mandao

Isaorana Inao Ray, Ianao Ray…
Hanandra-peo aho, noho ny anaranao…

Mila anao

Ankehitriny aho dia miaky fa
Anao ‘zao rehetra izao
Tsy misy zavatra izay tsy azonao atao
Andriamanitra Tsitoha, ‘lay Tompon’ny Tompo
Tsy anenenako ny manompo Anao

Na andeha ho aiza aho na aiza aleha,
Tsy ahita toa Anao
Fitiavana mandrakizay no itiavanao ahy
Fa na dia mpanota aho, tsy mba nolavinao
Tsy hoadinoko ny namonjenao ahy

Mila Anao ny fianako sy izay rehetra momba ahy
Na ny fo, saina, fanahy, Tompo ô ! mila Anao e !
Mila Anao foana aho
N’inona n’inona atao, n’aiza n’aiza aleha
Ny amiko atolotro Anao
Ny foko omeko Anao anjakao

Na andeha aiza aho na aiza aleha,…
Mila Anao aho, mila anao, mila anao Tompô!

Hamoram-ponao

Ampahafantaro ahy ny sitraponao
Amorony fo vaovao indray
Miangavy aho ry Ray

Haiko fa Ianao no IZY
Ilay Alfa sy Omega
Ianao (eny) Ianao
Ao aminao, ô ! ô ! ô ! ô !
Ambany elatrao. ouh ouh ouh !

Tsy sasatra Ianao, miandry ahy
Any amin’ny toerana misy Anao
Izay iriko, hitoerana koa
Ilay lova omaninao ho ahy

Aoka ho feno teninao
Vontosy tanteraka aho
Aoka ho kasihinao
Aoka ho feno teninao

Sakaizanao

Na sarotra ny lalako androany
Na mavesatra ny entako omaly
Misy Anao aho mizara hafaliana
Maivana ny fo

Ny tiko ? akaiky Anao
Hihazona, ny tànanao
Homalalanao
No Fiantsonao ahy

Tsy mpanompo fa sakaizanao
Satria tsy mpanompo intsony aho,
Fa sakaizanao

Ny herinao, manerana ny tany
Ny fitavanao, fitia tsy mba lany
Jesô ô! Ianao no andrandraiko
Ampiorina ahy

Ny tiko ? akaiky Ana…

lanao efa niteny,
Izay tsy miray aminao dia very, tsinontsinona
Fa mamoa bebe kokoa, mihoatra izay vita taloha
Raha miaraka aminao
N’aiza n’aiza misy ahy, eo foana Ianao

Fanahy Masina

1- Maizina ny lalana halehako
Mianatra mamindra raha ny tongotro
Dia tsy hanana ahiahy aho
Satria ianao lay fanahy
Mitari-dalana ahy

2- Raha tonga ny andro maha ory ahy
Na ireo fahavalo miady hamotika ahy
Dia tsy mba ho kivikivy aho satria
Ianao ‘Lay Fanahy mampahery ahy

3- Miatrika ireo sedra ady maty ety
Ireo fakampanahy hanakana ny dia
Dia mahatoky manana Anao
Ianao Fanahy ‘lay
Fanahy manolo-tsaina ahy

4- Eo indray ireo andro fifaliako
Tiako tsy adinoko velona ato ampoko
Fa dia ianao ilay mameno ahy hatramin’izay
Ilay Fanahy mikarakara ahy

Fanahy ô! Fanahy Masina ô!
Ilaiko Ianao
Hisaorako Anao
Ny fitiavanao Sy ny Fanatrehanao

Talahom-bavaka

Tompo ô! Mitalaho aho
Tompo ô! Miandry fatratra aho
Mitalaho famindram-po avy aminao
Mba henoy re Tompo ô!

Tompo ô! Raha sitrakao
Omeo hery avy aminao
Ka na reraka aza aho indrindray
Dia ho maivana ny adiko

Satria eo ianao
Mpampahery tsy mandao
Ka tsy hokivy aho Tompo ô!
Tsy horesy aho noho ianao

Ianao irery ihany no afaka mampahery ahy
Mampisinda ahiahy
Ka mampandresy, mampijoro
Vatolampiko ianao

Satria eo ianao…
Izay no talahom-bavako
Mitalaho ka mba henoy Tompô!

Sambatra aho

Maharavo ahy Ray Ô!
Ny fitahianao ahy
Mahafaly ahy Jesô!
Ny famonjenao
Mahamirana ahy Fanahy
‘Reo tolon-tsainao ka hoy aho hoe:

Sambatra aho, tretrika aho, mirana aho
Manana anao
Faly ny fo, Ravo tokoa
Ka misaotra Ray
Zanaka Fanahy

Tsy manam-paharoa ary
Tsy manan-tsahala
Miavaka aho satria
Miaraka aminao

Tsy anenenako
Ny miaraka aminao
Ampiorenako ny fitiavanao
Fatratra loatra ianao
Mahery Tompô, ka hoy aho hoe :

Sambatra aho, tretrika aho, mirana aho
Manana anao
Faly ny fo, Ravo tokoa…

Ny Fisianao

Mba omeo fo,
Ahaizako manoa
Entiko miaina
Mandra-pialako ety

Tena mamy ny foko
Tena tsy foiko, ny anilanao
Averiko Tompô! Tiako ianao (x2)

Ny fisianao sarobidy amin’ny fiainako
Ny fisianao mampamiratra ny lalako
Ny fisianao tsy ahatsiaro irery intsony aho
N’aiza n’aiza aho, n’inona n’inona ataoko
Ny tananao mitantana ahy
Ny masonao mijery ahy

Mba omeo fo,
Tahaka ny anao
Ahaizako mitia
Mandra-pialako ety

Fa tena faniriako sy tena tiako
Ny ho toa anao
Averiko Tompô! Tiako ianao
Ny fisianao sarobidy amin’ny fiainako…

Be Fiadanana

Reko ny antson’ny Tompo manako ao ampoko ao
Hitory fiadanana amin’ny Anarany
Olona maro sy ireo hava-tiana no tsy nandre
Tapaho re ny hevitra hijanona ve sa handeha

Tokana anefa ny valiny handrasany aminao
Fa maika tsy tambo isaina ny asany
Ka aza variana mihevitra izao tontolo izao
Raiso ny ampinga tano ny finoana

Inty aho Tompo ô! Iraho aho Tompo ô!
Atolotro ho Anao afoiko ny tenako
Indro raiso ny tanako
Hamasino ny vavako
Hitory fiadanana amin’ny havako

Ka na lala-miakatra e!!
Na fidinana sarotra e!
Hombako ampahatokiana ny asa atolotrao
Be Fiadanana anie izay tia ny lalanao.
Handova ny lanitra sy fiainam-baovao.

Fagniriako

Sômanô tsy sôman’ny hafa
Ny raha hitsaragna anô, tsy ande hitsaragna ny hafa
Mamo lava mamono olo ô !
Mitarimy vorondolo ô

Magniry ny anjaran’ny hafa
Mangalatra, mandravarava
Fiana-mandalô ! ny fiainan’eto an-tany e !
Ho avy ‘lay andro ô !
Ny andro hitsaragna anô

Refrain :
Raha ny fagniriakô
Hiara-dalgn’aminô, hiakatra agny an-danitr’agny
Zegny fagniriakô
Raha ny tegna taiko ê !
Hifampitantan’aminô
Hitsena ‘lay Tompo Andriamanitry ny Avo indrindra e !
Zegny fagniriako.

Raha volagniko aminô tsy vandivande !
Efa mandigny anô ‘lay fiaignana vaovao
Agny tsy manavakavaka
Tsy mifidy razagn’olo ô !
Fiaignana tegna miavaka
Ravoravo jiaby ny olo ô !

Fiadana-mandrakizay
Ny agny an-danitra agny
Ianao ve mba hoany e !
Zahava ny afaragnanô
Zegny fagniriako ô !
Zegny fagniriako ê !
Zegny fagnirako ô !

Ianao Tokiko

Voasoratra hoe :
Indro aho momba anareo mandrakariva
Nolazainao koa fa
Tsy handao anao mihitsy Aho
Teny feno toky tsisy sandoka ary tsy soloky
Andriamanitro Ianao
Saropiaro amin’ny fiainako

Refrain :
Amin’ny andro hataorako no itokiko Anao
Na dia ny andro fahoriako mbola hiderana Anao
Na hijaly na hifaly ny vavako
Hiantsoantso ny Anaranao
Jesô Ianao tokiko

Ny Anaranao no antsoiko, ny Anaranao no kaloiko
Mandrakizay
Ny famonjena vitanao no ho lazaiko
Ny fiananao tantanaraiko e !
Ny fitiavanao dradradradraiko
Ho renin’izao tontolo izao
F’Ianao ilay Andriamanitra tsy mandao

Ny Anaranao no antsoiko
Ny Anaranao no kaloiko
Ny Anaranao no dradradradraiko
Ny famonjenao no ho tantaraiko

Izy

Manàna finoana e ! fa misy namana iray ao ambony
Raha Izy no antsoina e ! tsy ho very maina tsy ho irery intsony
Ie ! ie ! Ianao ‘lay ketraka e ! tsy mila mipetraka e !
Izy anie eo anilanao foana

Jesosy irery ihany
Izy no làlana ahatongavanao any
Avelao ‘reo fomban’ny tany e !
Tsy mahasoa anao izany

Refrain :
Imahagaga e ! Mpanolotsaina
Rain’ny mandrakizay, zanaky ny Ray
Andrian’ny fiadanana Andriamanitra mahery e !
Ny fanapahana dia eo an-tsoron’Izy Tompo ô !

Ampianaro aho

Izaho sy Ianao no miara-dàlana
Tsy mifankafoy fa hoe mpinamana
Ny fiainako rehetra tsisy tsy fantatrao
Izay zav-misy dia lazaiko aminao

Miara-dia dia mifandray tànana
Fa ny tanjotsika kay tsy mifamindran-dalana
Dia zavatra hafa ny zava-miseho
Tezitra aho manome tsiny Anao
Rehefa tsy izay tiako, no hitako eo

Refrain :
Malaika ery ny vavako raha mangataka
Miteny hoe : « omeo »
Fa ampianaro aho ahay isaotra Anao
Ampianaro aho ahay hitsaoka ny anaranao

Dia hoatoko mpamatsy ahy fotsiny Ianao ?
Mazoto ery ny miresaka aminao
Rehefa misy zavatra tiko sy ilavako Anao
Fa adinoko hoe Ianao dia manana làlana
Tsy hitondra loza fa fiadanana
Izay tianao no tenoo tokony atao

Malaika ery ny vavako raha mangataka
Miteny hoe : « omeo »
Fa ampianaro aho ahay isaotra Anao
Mangataka no haiko e ! ny misaotra tsy ataoko e !
Fa tsy takatry ny saiko, ny misaotra Anao tsy ataoko
Jesôsy ô ! mampianara ahy

Tia ahy Ianao

Tsy hita refy ny fitiavanao
Tsy voafaritr’izao tontolo izao
Tsy voamarina ary tsy hay lanjaina
Tompo ô ! tsy takatry ny saina

Na dia eo ny seza fiandriananao
Nitsangana Ianao, dia nilaozanao
Nidina ho ety ambany indrindra Ianao
Nisolo ahy, nanafaka ahy
Iza moa aho no novonjenao
Iza moa aho no tiavinao

Refrain :
Na iza hiteny tsy misy mahavita ny vitanao
Na ny fasana aza tsy nahatana ny herin’ilay fitiavanao
Na iza handrava tsy misy mahasakana ny tinao atao
Noho ilay rà nalatsakao dia fantatro fa
TIA AHY IANAO

Fa resy ny ota sy ny fahafatesana
Fa olom-boavonjy aho izao
Iaina ‘lay fiainam-baovao
Tsara Jesosy ô, ny anilanao
Fantaro fa ny fiainanao dia an-tanany
Sarobidy ianao anatrehany
Malala ianao eo imasony.

Hifikitra Aminao

Fa na dia kely no niandohako
Ngeza dia ngeza no hiafarakô !
Satria manana tanjona amiko ny Tompo ô !
Na hiandry oviana,
Na ho setroka io na fifalina
Antenaiko ny ho avy, Aminao ny foko ô !

Refrain :
Hifikitr’Aminao aho Tompo ô !
Izaho ‘lay mpanompo voafidy
sAnao Kristy
Ny eo Aminao dia ho fenoinao fitia
Ho reraka ny fahavalo ô !

Fa ny fiainako anie mandeha foana
Tsy hainy hoe ahoana ?
Fa miakatra, miakatra, miakatra ny avo ô !
Tadidinao vé ilay tantara an’i Josefa fahizay ?
Namidin’ny rahalahy, nahilikilika
Nadalo tany am-ponja e !
Fa tsy nanaiky resy
Na ny fiainany aza niha netinety
Nivadika ambony ny ambany